plt_tn/luk/01/72.md

983 B

mba hampisehoana famindram-po

"mba ho mpamindra fo amin'ny" na "mba hietsika araka ny famindram-pony amin'ny"

hampatsiahivana

Eto ny teny hoe "mampatsiahy" dia midika fitandremana fanoloran-tena na fanatanterahana zavatra.

ny fanekem-pihavanany masina ... ny fianianana nolazainy

ireo fehezanteny roa ireo dia maneho zavatra mitovy. Naverina izy ireo mba hampisehoana ny fahamatoran'ny fampanantenan'Andriamanitra tamin'i Abrahama.

hahazoantsika, rehefa afaka ... hanompo azy tsy amin-tahotra

Mety hanampy ny fanovana ny firafitr'ireo fehezanteny ireo. DH: "fa isika dia hanompo azy tsy amin-tahotra rehefa novonjena tamin'ny herin'ireo fahavalontsika."

tsy amin-tahotra

Ity dia maneho ny tahotra an'ireo fahavalon'izy ireo DH: "tsy matahotra ireo fahavalontsika"

am-pahamasinana sy am-pahamarinana

Mety maneho hetsika ireo. DH: "hiaina amin'ny fomba madio sy hanao izay marina"

eo anatrehany

ity dia fomba fiteny izay midika hoe "eo amin'ny fanatrehany"