plt_tn/lev/26/18.md

1.1 KiB

im-pito

Eto, ny "im-pito" dia tsy ara-bakiteny. Io dia midika fa Yaveh dia hampitombo ny fahasarotan'ny fanasaziana azy ireo.

Handrava ny avonavonareo anatin'ny herinareo Aho

Ny fampiasana hery mba tsy hampirehareha azy ireo dia resahina toy ny hoe manapaka ny avonavon'izy ireo. DH: "hanasazy anareo Aho ary hamarana ny avonavona izay hahatsapanareo ny herinareo" sy "hanasazy anareo Aho mba tsy hireharehanareo amin'ny herinareo intsony"

Hanao ny lanitra eo amboninareo ho toy ny vy Aho ary ny taninareo tahaka ny varahina

Io dia midika fa Andriamanitra dia hampitsahatra ny orana milatsaka any amin'ny lanitra. Izany dia hahatonga ny tany ho mafy ka tsy hahafahan'ny olona mamafy voa na mamokatra.

Hampiasaina amin'ny zava-poana ny tanjakareo

Ny fiasana mafy dia resahina toy ny hoe izy ireo dia mampiasa ny herin'izy ireo mandra-pahalany ny heriny izy ireo. Ny andian-teny "zava-poana" dia midika fa izy ireo dia tsy hahazo na inona na inona amin'ny fiasana mafy. DH: "Hiasa mafy amin-java-poana ianareo" na "hiasa mafy ianareo, kanefa tsy hahazo na inona na inona tsara avy amin'ny fiasana mafy"