plt_tn/lev/21/10.md

867 B

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ireo mpisorona.

diloilo fanosorana

Io dia famantarana fa ilay diloilo dia ampiasaina amin'ny lanonana fanamasinana ny mpisoronabe. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava.

izay efa nandrarahana diloilo teo amin'ny lohany, ary izay efa nohamasinina

DH: "Izay efa nadrarahan'izy ireo diloilo fanosorana ny lohany ary efa nohamasinina"

aoka tsy hampisarakorako ny volony na handriatra ny akanjony

Ny fisarakorakoam-bolo sy ny fandrovitana akanjo dia mariky ny fisaonana. Ny dika fenon'io fanambarana io dia azo atao mazava.

Aoka ...tsy handao ny faritry ny fitoerana masin'

Io dia tsy midika fa tsy mahazo miala mihitsy ilay mpisoronabe. Fa kosa, Andriamanitra dia tsy mamela azy handeha mba hisaona ho eo amin'ny olona maty.