plt_tn/lev/11/36.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:
Yaveh dia manohy ny firesahany amin'i Mosesy sy Arona ireo biby izay heverina ho maloto ho an'ny olona.
# Ny loharano na famorian-drano ...dia hadio ihany
Ny rano avy amin'ny loharano na famorian-drano izay azon'ny olona sotroina dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.
# famorian-drano izay hanangonana ny rano sotroina
DH: "Ny famorian-drano izay manangona rano fisotro"
# ny fatin'ny biby maloto iray
Ny fatim-biby izay ambaran'Andriamanitra ho tsy mendrika ny ho kasihana na hanin'ny olona dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny izany.
# dia haloto izy
Ny olona izay tsy eken'ny sitrapon'Andriamanitra satria nikasika ny iray tamin'ny fatin'ireo biby ireo dia resahina toy ny hoe maloto ara-bakiteny izy.
# ny voa famboly
"ny voa izay kasainareo hambolena"
# hadio ihany ireo voa ireo ... haloto ho anareo ireo
Ny voa izay ambaran'Andriamanitra ho azo ekena ny fambolen'ny olona azy dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny ireo, ary ireo izay tsy ekena dia resahina toy ny hoe maloto ireo.
# Fa raha tondrahana rano ireo voa
DH: "fa raha manisy rano ireo voa ireo ianareo"