plt_tn/lam/01/15.md

848 B

lehilahy maheriko izay niaro ahy

Amin'ity fizarana ity dia mbola soritsoritana tahaka ny vehivavy miresaka ny momba azy i Jerosalema.

lehilahy mahery

"ireo miaramila matanjaka indrindra"

ny fiangonana

Eto dia resahina toy ny hoe fihaonan'ny olona izay niara-tonga mba hiampanga sy hanameloka olona ny fanafihan'ny tafika fahavalo an'i Jerosalema. DH: "tafika"

ireo lehilahiko matanjaka

lehilahy izay tao amin'ny fotoan'ny fahatanjahany tamin'ny fiainan'izy ireo

Nanitsakitsaka....tao amin'ny famiazana ny Tompo

Eto ny fitsaran'Andriamanitra dia soritsoritana toy ny hoe voaloboka izay nohitsakitsahina mba hamiazana ranom-boankazo i Jerosalema.

ny zanakavavy virijinin'i Joda

Io dia anarana ara-kanto ho an'i Jerosalema, izay resahina toy ny hoe vehivavy eto. Ny teny hoe "virijiny" dia milaza fa madio izany vehivavy izany.