plt_tn/jos/07/14.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mbola manohy ny firesahana amin'i Josoa hatrany i Yaveh izay tsy maintsy ho lazaina ny vahoaka.

tsy maintsy manolotra ny tenanareo amin'ny fokonareo ianareo

Nisy foko roambin'ny folo izay nandrafitra ny vahoakan'Israely. Ny fehezanteny "amin'ny fokonareo" dia midika ny "foko tsirairay." D.H: "ny fokonareo tsirairay dia tsy maintsy manolotra ny tenan'izy ireo amin'i Yaveh"

Ny foko izay nosafidian'i Yaveh dia hanakaiky ny fanakaviam-ben'izy ireo

Ny foko dia voarafitra tamin'ny fizaran'ny fianakaviam-be. D.H: "Avy amin'ny foko izay safidian'i Yaveh, ny fianakaviam-be dia hifanakaiky"

Ny foko izay nosafidian'i Yaveh

Ny mpitarik'Israely dia tsy maitsy hiloka, ary amin'ny fanaovana izany, tsy maintsy hianatra izay foko efa nosafidian'i Yaveh. Azo lazaina mazava tsara izany. D.H: "Ny foko izay safidian'i Yaveh amin'ny loka" na "Ny foko izay safadian'i Yaveh rehefa miloka isika"

Ny fianakaviam-be izay nosafidian'i Yaveh dia tsy maintsy manakaiky ny isan-tokantrano

Ny fianakaviam-be dia voarafitra amin'ny fizaran'ny tokantrano. D.H: "Avy amin'ny fianakaviam-be izay safidian'i Yaveh, ny isa-tokantrano dia tsy maintsy mifanakaiky"

Ny tokantrano izay nosafidian'i Yaveh dia tsy maintsy mifanakaiky tsirairay

Ny tokan-trano dia voarafitra amin'ny fizaran'ny olona. D.H: "Avy amin'ny tokantrano izay safidian'i Yaveh, ny olona tsirairay dia maintsy mifanakaiky"

ilay iray izay nosafidina

D.H: "ny iray izay safidian'i Yaveh"

nandika ny faneken'i Yaveh izy

Fanimbana ny fanekena dia maneho tsy fankatoavana izany. D.H: "tsy nankato ny faneken'i Yaveh izy"