# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mbola manohy ny firesahana amin'i Josoa hatrany i Yaveh izay tsy maintsy ho lazaina ny vahoaka. # tsy maintsy manolotra ny tenanareo amin'ny fokonareo ianareo Nisy foko roambin'ny folo izay nandrafitra ny vahoakan'Israely. Ny fehezanteny "amin'ny fokonareo" dia midika ny "foko tsirairay." D.H: "ny fokonareo tsirairay dia tsy maintsy manolotra ny tenan'izy ireo amin'i Yaveh" # Ny foko izay nosafidian'i Yaveh dia hanakaiky ny fanakaviam-ben'izy ireo Ny foko dia voarafitra tamin'ny fizaran'ny fianakaviam-be. D.H: "Avy amin'ny foko izay safidian'i Yaveh, ny fianakaviam-be dia hifanakaiky" # Ny foko izay nosafidian'i Yaveh Ny mpitarik'Israely dia tsy maitsy hiloka, ary amin'ny fanaovana izany, tsy maintsy hianatra izay foko efa nosafidian'i Yaveh. Azo lazaina mazava tsara izany. D.H: "Ny foko izay safidian'i Yaveh amin'ny loka" na "Ny foko izay safadian'i Yaveh rehefa miloka isika" # Ny fianakaviam-be izay nosafidian'i Yaveh dia tsy maintsy manakaiky ny isan-tokantrano Ny fianakaviam-be dia voarafitra amin'ny fizaran'ny tokantrano. D.H: "Avy amin'ny fianakaviam-be izay safidian'i Yaveh, ny isa-tokantrano dia tsy maintsy mifanakaiky" # Ny tokantrano izay nosafidian'i Yaveh dia tsy maintsy mifanakaiky tsirairay Ny tokan-trano dia voarafitra amin'ny fizaran'ny olona. D.H: "Avy amin'ny tokantrano izay safidian'i Yaveh, ny olona tsirairay dia maintsy mifanakaiky" # ilay iray izay nosafidina D.H: "ny iray izay safidian'i Yaveh" # nandika ny faneken'i Yaveh izy Fanimbana ny fanekena dia maneho tsy fankatoavana izany. D.H: "tsy nankato ny faneken'i Yaveh izy"