plt_tn/jhn/15/26.md

957 B

Mpampahery

Ity dia maneho ny Fanaha Masina. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 14:15.

hirahiko aminareo avy amin'ny Ray, ilay, Fanahin'ny Fahamarinana, izay mivoaka avy amin'ny Ray—dia hanambara ny momba Ahy Izy

Andriamanitra Ray dia naniraka an'Andriamanitra Fanahy mba hampiseho amin'izao tontolo izao fa Jesosy no Andriamanitra Zanaka.

Ray

Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.

Fanahin'ny fahamarinana

Ity dia fiantsoana ny Fanahy Masina. DH: "Ny Fanahy izay miteny ny marina momba Ahy sy Andriamanitra."

Ianareo ihany koa dia mijoro vavolombelona

Eto ny "mijoro vavolombelona" dia midika hoe mitantara amin'ny olona hafa ny momban'i Jesosy. DH: "Ianao koa dia tokony miteny amin'ny olona rehetra izay fantatrao momba Ahy."

am-piandohana

Eto ny "fiandohana" dia midika hoe ny andro voalohan'ny fampianaran'i Jesosy. DH: "hatramin'ny andro voalohany rehefa nanomboka nampianatra ny olona sy nanao fahagagana Aho"