plt_tn/jhn/11/08.md

1.1 KiB

Raby, amin'izao dia mikasa ny hitora-bato Anao ireo Jiosy, ka mbola hiverina ho any indray ve Ianao?

Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba hanasongadinana fa ireo mpianany dia tsy te-hamela an'i Jesosy ho any Jerosalema. DH: "Mpampianatra, mino izay fa tsy te-hiverina any Ianao! Ireo Jiosy dia niezaka ny hitora-bato anao tamin'ny Ianao tany farany!"

Ireo Jiosy

Ireo "Jiosy" dia midika hoe ireo mpitarika Jiosy. DH: "Ireo mpitarika Jiosy"

Tsy roa ambin'ny folo ora ve ny fahazavan'ny andro?

Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba hanasongadinana ny hevitra. DH: "Ianao dia mahafantatra fa ny andro dia misy roa ambin'ny folo ora mazava!"

Raha misy olona mandeha amin'ny andro mazava, dia tsy ho tafintohina izy, satria mahita ny fahazavan'izao tontolo izao

Ny olona mandeha amin'ny fahazavan'ny andro dia afaka mahita tsara sy tsy ho tafintohina. Ny "Fahazavana" dia sari-teny hilazana ny "fahamarinana." Jesosy dia milaza fa ny olona izay miaina araky ny fahamarinana dia afaka hanatanteraka ireo zavatra izay tian'Andriamanitra ataon'izy ireo"