plt_tn/jhn/07/50.md

24 lines
1018 B
Markdown

# iray amin'ireo Fariseo, izay tonga mialoha teo aminy
Jaona dia manome ity fanazavana ity mba hampatsiahivany antsika hoe iza moa i Nikodemosy.
# Moa ve ny lalàntsika mitsara olona ... izay nataony?
Ity fanamarihana ity dia miendrika fanontaniana mba hanamafisana ny hevitra. Afaka adika ho fanambarana ity. DH: "Ny lalàntsika Jiosy dia tsy mamela antsika hitsara olona ... izay nataony!"
# Moa ve ny lalàntsika mitsara olona
Eto Nikodemosy dia miresaka ny lalàna toy ny hoe olona izany. DH: "Moa ve mitsara olona isika" na "isika dia tsy mitsara olona"
# Avy any Galilia koa angaha ianao?
Ireo mpitarika Jiosy dia mahafantatra fa Nikodemosy dia tsy avy any Galilia. Mametraka ity fanontaniana ity izy ireo mba ho fomba hanesoana azy. DH: "Ianao koa dia iray amin'ireo olona ambany avy any Galilia ireny!"
# Mikaroha ary jereo
DH: "Tadiavo tsara ary vakio izay voasoratra ao amin'ny Soratra Masina."
# tsy misy mpaminany avy any Galilia
Ity dia mety maneho ny finoana fa tsy teraka tao Galilia Jesosy.