plt_tn/jhn/07/50.md

1018 B

iray amin'ireo Fariseo, izay tonga mialoha teo aminy

Jaona dia manome ity fanazavana ity mba hampatsiahivany antsika hoe iza moa i Nikodemosy.

Moa ve ny lalàntsika mitsara olona ... izay nataony?

Ity fanamarihana ity dia miendrika fanontaniana mba hanamafisana ny hevitra. Afaka adika ho fanambarana ity. DH: "Ny lalàntsika Jiosy dia tsy mamela antsika hitsara olona ... izay nataony!"

Moa ve ny lalàntsika mitsara olona

Eto Nikodemosy dia miresaka ny lalàna toy ny hoe olona izany. DH: "Moa ve mitsara olona isika" na "isika dia tsy mitsara olona"

Avy any Galilia koa angaha ianao?

Ireo mpitarika Jiosy dia mahafantatra fa Nikodemosy dia tsy avy any Galilia. Mametraka ity fanontaniana ity izy ireo mba ho fomba hanesoana azy. DH: "Ianao koa dia iray amin'ireo olona ambany avy any Galilia ireny!"

Mikaroha ary jereo

DH: "Tadiavo tsara ary vakio izay voasoratra ao amin'ny Soratra Masina."

tsy misy mpaminany avy any Galilia

Ity dia mety maneho ny finoana fa tsy teraka tao Galilia Jesosy.