plt_tn/jhn/02/17.md

849 B

efa voasoratra

DH: "nisy olona nanoratra"

ny tranonao

Ity teny ity dia maneho ny Tempoly, ny tranon'Andriamanitra.

handevona

Ny teny hoe "handevona" dia sari-teny natao ho an'ny "afo." Ny fitiavan'i Jesosy ny Tempoly dia tahaka ny afo mirehitra ao Aminy.

famantarana

Ity dia maneho tranga izay manaporofo fa marina ny zavatra iray.

ireny zavatra ireny

Ity dia maneho ireo fihetsik'i Jesosy manoloana ireo mpanakalo vola tao an-tempoly.

Ravao ity tempoly ity, fa ho hatsangako anatin'ny telo andro monja

Jesosy dia maneho ny tenany manokana tahaka ny Tempoly izay ho faty ka hitsangana indray afaka telo andro. Adikao amin'ny fomba izay maneho ny hoe nandrodana trano ka nanangana vaovao ity. Tsy mandidy ireo mpianany mba handrodana ny tempoly Jesosy.

ho hatsangako

Izany dia midika hoe "manamboatra indray" na "manavao."