plt_tn/jer/50/11.md

848 B

mitsambikimbikina tahaka ny zanak'ondry eny amin'ny fihinanam-bilony ianareo

Io dia mampitaha ny vahoakan'i Babylona amin'ireo zanak'ondry mihazakazaka ampifaliana eny amin'ny fihinanam-bilona.

maneno tahaka ny soavaly mahery ianareo

Io dia mampitaha ny hafalian'izy ireo amin'ny fifalian'ny soavaly mamoaka feo avo.

Ka ho afa-baraka tokoa ny reninareo; izay niteraka anareo dia ho menatra

Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy ny fahamenarana. Ny teny "reny" sy "izay niteraka" eto dia samy manondro an'i Babylonia sy ny tanànan'i Babylona.

ho tany efitra, tany maina, ary tany hay

Ireo fehezanteny ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy ny fahamainana tanteraka an'ilay tany.

hangovitra

mihorohoro noho ny tahotra

hisiotsioka

manao feo toy ny an'ny bibilava izay midika ho tsy fankatoavana