plt_tn/jdg/17/10.md

807 B

ho ray sy ho mpisorona

Ny teny hoe "ray" eto dia midika hoe mpanolo-tsaina, fa tsy araka ny heviny ara-bakiteny akory. DH: "ho mpanolo-tsaina sy ho mpisorona"

akanjo fitafy

"akanjo voatokana." Azony isan-taona izany. Azo ampiana ny teny tsy ampy. DH: "akanjo fitafy isan-taona"

Koa dia niditra tao an-tranony ilay Levita

Midika izany fa nanaiky ny fanomezan'i Mika ilay Levita, ary noho izany, dia niditra tao an-tranony izy. DH: "Koa dia nanaiky ny fanomezany ilay Levita ary niditra tao an-tranony"

ho an'i Mika dia tonga tahaka ny iray amin'ireo zanany lahy ilay tovolahy

Ny fifandraisana nisy teo amin'ilay Levita sy Mika dia tonga fifandraisana akaiky tahaka ny eo amin'ny ray sy ny zanaka. DH: "Lasa nifankahazo am-po tamin'i Mika ilay tovolahy ary tahaka ny iray amin'ireo zanany izy"