plt_tn/jdg/14/16.md

1.2 KiB

Halanao aho! tsy tia ahy ianao

Naverin'ny vadin'i Samsona izany teny izany mba hisongadina. DH: "Tsy tena tia ahy ianao"

ankamantatra

lalao iray izay ahitana olona mametraka fanontaniana sy mpilalao tsy maintsy mitady ny valin'ilay fanontaniana.

Jereo aho

Izany dia fomba fiteny mba hisintonana ny sain'ny olona. Eto ny hoe "jereo'' dia midika hoe "henoy." DH: "Henoy aho" na "Mifantoha amin'izay ho lazaiko"

raha tsy nilaza tamin'ny raiko na ny reniko aho, dia tokony hiteny aminao ve?

Nibedy azy Samsona rehefa nangataka taminy ny mba hilazany ny valiny izy. Azo avadika ho fehezanteny tsotra ihany koa izany fanontaniana izany. DH: "Tsy mbola nilaza tamin'ny raiko sy ny reniko aho. Dia tsy hilaza aminao aho." na "Tsy tokony hangataka ny hilazako izany ianao, satria tsy mbola nilaza tamin'ny ray aman-dreniko aho, ary izy ireo no akaiky amiko kokoa noho ianao."

nandritra ny fito andro naharetan'ny fanasana

Ny mety ho dikany dia 1) "nandritra ny fito andron'ny fanasan'izy ireo" na 2) "nandritra ny fito andro faran'ny fanasana."

ny andro fahafito

"ny andro faha 7"

nanery mafy azy izy

Eto ny teny hoe "nanery" dia midika hoe "nandodona." DH: "Nandodona azy mba hilaza aminy"