plt_tn/jdg/09/28.md

1.5 KiB

Gala ... Ebeda

Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 9:26 ireo anarana ireo.

Iza moa i Abimeleka, ary iza i Sekema, no dia tokony hanompo azy isika?

Nampiasa fanontaniana i Gala mba hanasongadinana fa tsy tokony hanompo an'i Abimeleka ny vahoakan'i Sekema. DH: "Tsy tokony hanompo an'i Abimeleka isika!"

Iza moa i Abimeleka, ary iza i Sekema, no dia tokony hanompo azy isika?

Mitovy ihany ny dikan'ireo fanontaniana roa ireo. Nataon'i Gala bango tokana eto i "Abimeleka" sy "Sekema" satria avy any Sekema ny renin'i Abimeleka. DH: "Tsy tokony hanompo an'i Abimeleka isika, dia i Sekema izany!"

Moa tsy zanak'i Jerobala ve izy? Moa tsy Zebola ve no lefiny?

Nampiasa fanontaniana i Gala mba hanasongadinana fa tsy tokony hanompo an'i Abimeleka ny vahoakan'i Sekema. DH: "Zanak'i Jerobala fotsiny ihany izy, ary lefiny fotsiny ihany i Zebola."

Jerobala

Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:31.

Zebola

Anaran-dehilahy izany.

Tompoy ny olon'i Hamora, dia ny rain'i Sekema izany!

Ny tian'i Gala hambara dia hoe tokony hanompo ireo taranaka avy any Hamora ny vahoakan'i Sekema, dia ireo izay tena Kananita, fa tsy hanompo olona izay Israelita ny rainy.

Nahoana isika no tokony hanompo an'i Abimeleka?

Nampiasa fanontaniana i Gala mba hanasongadinana fa tsy tokony hanompo an'i Abimeleka ny vahoakan'i Sekema. DH: "Tsy tokony hanompo an'i Abimeleka isika!"

Iriako mba teo ambany fifehezako ity vahoaka ity

"Iriako mba izaho no nanapaka ny vahoakan'i Sekema"