plt_tn/jdg/09/15.md

36 lines
1.4 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola nanohy nilaza ny fanoharana ihany i Jotama, dia ny fanoharany ny vondron'olona samihafa amin'ny hazo izany, ary nanao fampiharana izy.
# Hoy ny tsilon-draketa tamin'ireo hazo
Amin'izany fanoharana izany dia manoritsoritra izay ataon'ilay tsilon-draketa sy hazo tahaka ny olombelona i Jotama.
# hanosotra ahy ho mpanjaka eo aminareo ianareo
Ny fanosorana diloilo dia famantarana rehefa manendry olona ho mpanjaka. DH: "hanendry ahy ho mpanjakanareo"
# mitadiava fiarovana
Ny teny hoe "fiarovana" dia anarana, azo adika ihany koa hoe DH: "azo antoka"
# hivoaka avy ao amin'ny tsilo ny afo ary aoka izany handoro ny sederan'i Libanona
Izany dia midika hoe aoka handoro ireo sedera ny tsilon-draketa.
# Ankehitriny ary
Ny dikan'izany akory tsy hoe "amin'izao fotoana izao,'' fa mba hanomezan-danja izay ho lazaina manaraka.
# ary raha nanao ny tsara mahakasika an'i Jerobala sy ny ankohonany, ary raha nanafay azy araka izay mendrika azy ianareo
Nanaiky i Jotama fa nanao izay tsara izy ireo, nefa tsy tena nahatoky i Jotama fa tsara ny nataon'izy ireo. DH: "Raha nanao izay marina ianareo ary mendrika aminareo ny hamonoan'i Jerobala ny zanany rehetra"
# Jerobala
Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Jereo ao amin'ny 6:31 ny fomba nandikanao izany.
# ny ankohonany
Eto ny hoe "ankohonana" dia ireo fianakavian'i Gideona.