# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola nanohy nilaza ny fanoharana ihany i Jotama, dia ny fanoharany ny vondron'olona samihafa amin'ny hazo izany, ary nanao fampiharana izy. # Hoy ny tsilon-draketa tamin'ireo hazo Amin'izany fanoharana izany dia manoritsoritra izay ataon'ilay tsilon-draketa sy hazo tahaka ny olombelona i Jotama. # hanosotra ahy ho mpanjaka eo aminareo ianareo Ny fanosorana diloilo dia famantarana rehefa manendry olona ho mpanjaka. DH: "hanendry ahy ho mpanjakanareo" # mitadiava fiarovana Ny teny hoe "fiarovana" dia anarana, azo adika ihany koa hoe DH: "azo antoka" # hivoaka avy ao amin'ny tsilo ny afo ary aoka izany handoro ny sederan'i Libanona Izany dia midika hoe aoka handoro ireo sedera ny tsilon-draketa. # Ankehitriny ary Ny dikan'izany akory tsy hoe "amin'izao fotoana izao,'' fa mba hanomezan-danja izay ho lazaina manaraka. # ary raha nanao ny tsara mahakasika an'i Jerobala sy ny ankohonany, ary raha nanafay azy araka izay mendrika azy ianareo Nanaiky i Jotama fa nanao izay tsara izy ireo, nefa tsy tena nahatoky i Jotama fa tsara ny nataon'izy ireo. DH: "Raha nanao izay marina ianareo ary mendrika aminareo ny hamonoan'i Jerobala ny zanany rehetra" # Jerobala Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Jereo ao amin'ny 6:31 ny fomba nandikanao izany. # ny ankohonany Eto ny hoe "ankohonana" dia ireo fianakavian'i Gideona.