plt_tn/jdg/08/27.md

44 lines
1.7 KiB
Markdown

# Nanamboatra efoda avy amin'ireo kavina i Gideona
"Nampiasa volamena avy amin'ireo kavina i Gideona mba hanamboarana efoda"
# Ofra
Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 6:11 ny anaran'izany tanàna izany.
# nampijangajanga ny tenany tamin'ny fanompoana izany teo ny Israely rehetra
Izany dia miresaka ny fanompoana andriamanitra tsy izy ho fijangajangana. DH: "Nanota tamin"i Yaveh tamin'ny fanompoana efoda teo ny Israelita"
# ny Israely rehetra
"rehetra" eto dia fanitarana mba hanamafisana fa maro dia maro no nanompo ilay akanjo. DH: "maro dia maro ny vahoakan'Israely nanompo ilay akanjo"
# Lasa fandrika ho an'i Gideona sy ireo izay tao an-tranony izany
Ny fakam-panahy izay nahazo an'i Gideona sy ny fianakaviany tamin'ny fanompoana efoda dia resahina toy ny hoe voasambotry ny fandriky ny mpihaza izy ireo. DH: "Lasa fakam-panahy ho an'i Gideona sy ny fianakaviany izany" na "Nanota tamin'ny fanompoana izany i Gideona sy ny fianakaviany"
# ho an'ireo izay tao an-tranony izany
Eto ny hoe "an-tranony'' dia ilazana ny fianakavian'i Gideona. DH: "ho an'ny fianakaviany"
# Ka dia resy teo anatrehan'ny vahoakan'Israely ireo Midiana
Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Ka dia noresen'i Yaveh teo anolohan'ny vahoakan'Israely ireo Midianita" na "Ka dia nampian'i Yaveh handresy ireo Midianita ireo Israelita"
# tsy nanarina ny lohan'izy ireo intsony izy ireo
Izany dia fomba fiteny. DH: "tsy nanafika an'Israely intsony izy ireo"
# Ary nilamina ... ny tany
Eto ny hoe "tany" dia entina ilazana ny vahoakan'Israely. DH: "Ary niaina am-pilaminana ny Israelita"
# efapolo taona
"40 taona"
# tamin'ny andron'i Gideona
Eto ny hoe "ny andro" dia entina ilazana ny andro niainany. DH: "nandritra ny fiainan'i Gideona"