plt_tn/jdg/08/27.md

1.7 KiB

Nanamboatra efoda avy amin'ireo kavina i Gideona

"Nampiasa volamena avy amin'ireo kavina i Gideona mba hanamboarana efoda"

Ofra

Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 6:11 ny anaran'izany tanàna izany.

nampijangajanga ny tenany tamin'ny fanompoana izany teo ny Israely rehetra

Izany dia miresaka ny fanompoana andriamanitra tsy izy ho fijangajangana. DH: "Nanota tamin"i Yaveh tamin'ny fanompoana efoda teo ny Israelita"

ny Israely rehetra

"rehetra" eto dia fanitarana mba hanamafisana fa maro dia maro no nanompo ilay akanjo. DH: "maro dia maro ny vahoakan'Israely nanompo ilay akanjo"

Lasa fandrika ho an'i Gideona sy ireo izay tao an-tranony izany

Ny fakam-panahy izay nahazo an'i Gideona sy ny fianakaviany tamin'ny fanompoana efoda dia resahina toy ny hoe voasambotry ny fandriky ny mpihaza izy ireo. DH: "Lasa fakam-panahy ho an'i Gideona sy ny fianakaviany izany" na "Nanota tamin'ny fanompoana izany i Gideona sy ny fianakaviany"

ho an'ireo izay tao an-tranony izany

Eto ny hoe "an-tranony'' dia ilazana ny fianakavian'i Gideona. DH: "ho an'ny fianakaviany"

Ka dia resy teo anatrehan'ny vahoakan'Israely ireo Midiana

Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Ka dia noresen'i Yaveh teo anolohan'ny vahoakan'Israely ireo Midianita" na "Ka dia nampian'i Yaveh handresy ireo Midianita ireo Israelita"

tsy nanarina ny lohan'izy ireo intsony izy ireo

Izany dia fomba fiteny. DH: "tsy nanafika an'Israely intsony izy ireo"

Ary nilamina ... ny tany

Eto ny hoe "tany" dia entina ilazana ny vahoakan'Israely. DH: "Ary niaina am-pilaminana ny Israelita"

efapolo taona

"40 taona"

tamin'ny andron'i Gideona

Eto ny hoe "ny andro" dia entina ilazana ny andro niainany. DH: "nandritra ny fiainan'i Gideona"