plt_tn/isa/57/03.md

1.2 KiB

Fa avia eto

Miantso ny olona tsy mahatoky rehetra mba ho avy eo anoloany Yaveh mba ahafahany mitsara azy ireo amin'ny fahasamihafana be amin'ireo fampanantenana ho an'ny marina izay tonga teo aloha.

zanaky ny mpanandro

Io dia fanesoana mafy ny olona izay manao ody satria ao anatin'ny fanompoan-tsampy ny mosavy sy ny ody.

zanaky ny mpijangajanga sy ny vehivavy izay efa nivaro-tena

Io dia manondro ny fijanganjangana tena izy sy ara-panahy. Niala tamin'ny fanompoana an'Andriamanitra izy ireo ary manompo ireo andriamani-kafa sy ireo sampy sady mijangajanga amin'ny fanompoan-tsampin'ny fankalazan'ny Kananita.

Iza no esoinareo amin'ny fihomehezana? Amin'iza no anokafanareo vava sy hitranganareo lela?

Mampiasa ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hibedesana ny olona izay maniratsira Azy amin'ny alalan'ny andriamani-tsy izy. DH: "Maniratsira Ahy sy mihomehy Ahy amin'ny fampitanatananareo ny vavanareo sy ny fitranganareo lela ianareo!"

Moa ve tsy zanaka mpikomy, zanaka mpamitaka ianareo?

Mampiasa fanontaniana hafa Yaveh mba hibedesana ny olona. Io dia tsy manondro ny fahaterahan'izy ireo fa ny toe-panahin'izy ireo. DH: "Zanaky ny fikomiana, zanaky ny fitaka ianareo"