20 lines
1.2 KiB
Markdown
20 lines
1.2 KiB
Markdown
|
# Fa avia eto
|
||
|
|
||
|
Miantso ny olona tsy mahatoky rehetra mba ho avy eo anoloany Yaveh mba ahafahany mitsara azy ireo amin'ny fahasamihafana be amin'ireo fampanantenana ho an'ny marina izay tonga teo aloha.
|
||
|
|
||
|
# zanaky ny mpanandro
|
||
|
|
||
|
Io dia fanesoana mafy ny olona izay manao ody satria ao anatin'ny fanompoan-tsampy ny mosavy sy ny ody.
|
||
|
|
||
|
# zanaky ny mpijangajanga sy ny vehivavy izay efa nivaro-tena
|
||
|
|
||
|
Io dia manondro ny fijanganjangana tena izy sy ara-panahy. Niala tamin'ny fanompoana an'Andriamanitra izy ireo ary manompo ireo andriamani-kafa sy ireo sampy sady mijangajanga amin'ny fanompoan-tsampin'ny fankalazan'ny Kananita.
|
||
|
|
||
|
# Iza no esoinareo amin'ny fihomehezana? Amin'iza no anokafanareo vava sy hitranganareo lela?
|
||
|
|
||
|
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Yaveh mba hibedesana ny olona izay maniratsira Azy amin'ny alalan'ny andriamani-tsy izy. DH: "Maniratsira Ahy sy mihomehy Ahy amin'ny fampitanatananareo ny vavanareo sy ny fitranganareo lela ianareo!"
|
||
|
|
||
|
# Moa ve tsy zanaka mpikomy, zanaka mpamitaka ianareo?
|
||
|
|
||
|
Mampiasa fanontaniana hafa Yaveh mba hibedesana ny olona. Io dia tsy manondro ny fahaterahan'izy ireo fa ny toe-panahin'izy ireo. DH: "Zanaky ny fikomiana, zanaky ny fitaka ianareo"
|