plt_tn/isa/18/03.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny andininy faha 3 dia milaza izay tsy maintsy ambaran'ilay iraka tao amin'ny 18:1 amin'ny vahoakan'izao tontolo izao.

Ianareo mponina rehetra eto amin'izao tontolo izao ... ianareo izay monina eto an-tany

Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "Ianareo vahoakan'ny tany rehetra"

rehefa mitsangana eo an-tampon-tendrombohitra ny fanairana, dia mijere, ary rehefa tsofina ny trompetra, dia mihainoa

Ny trompetra fanairana dia natao mba hiantsoana ho amin'ny ady. Ireo didy mba hijery sy hihaino dia didy mba hitandrina sy hiomana ho amin'ny ady. DH: "tandremo tsara rehefa atsangana eny an-tendrombohitra ny fanairana ka tsofina ny trompetra"

rehefa miainga eo an-tampon-tendrombohitra ny fanairana, dia mijere

Ilay fanairana dia saina izay nampiasaina hiantsoana ny olona ho amin'ny ady. DH: "mitandrema rehefa mahita ilay saina filazana ady eny an-tendrombohitra ianareo''

rehefa tsofina ny trompetra, dia mihainoa

Ny trompetra dia nampiasaina hiantsoana ny olona ho amin'ny ady. DH: "mitandrema rehefa mandre feon-trompetra filazana ady ianareo"