plt_tn/isa/18/01.md

1.7 KiB

Loza ho an'ny tanin'ny firahondrahon'elatra, izay miaraka amin'ireo onin'ny Etiopia

Ny mety ho hevitry ny "firahondrahon'elatra" dia 1) Ny elatra dia maneho sambo mandeha. DH: "Loza ho an'ireo izay monina ao amin'ny tany andafin'ny onin'i Etiopia, izay tahaka ny bibikely eny amin'ny rano ireo sambony maro" na 2) ny firohondrohon'elatra dia entina ilazana ny feom-bibikely izay manan'elatra, mety hoe valala ohatra.

amin'ny ranomasina

Lehibe tokoa ny Reniranon'i Neily, ary olona tany Egypta sy Etiopia dia niantso izany hoe "ranomasina." DH: "amin'ny renirano lehibe" na "amin'ny Reniranon'i Neily"

fanaka papirosy

Ny papirosy dia hazo lava be izay maniry eny amin'ny sisin'ny reniranon'i Neily. Natambatabatry ny olona ny fehezana papirosy mba hanaovana lakana. DH: "lakana papirosy" na "lakana vita amin'ny volotara"

any amin'ny firenena ranjanana sy malama ... any amin'ny olona matahotra lavitra sy akaiky ... firenena matanjaka sy manosihosy, izay nozarain'ny ony ny taniny

Ireo andian-teny ireo dia mamaritra ny vahoakan'ny firenena iray avokoa. DH: "firenena izy ranjanana sady malama hoditra ny vahoakany"

any amin'ny firenena lava sy malama

Ny teny hoe "firenena" eto dia ilazana ny vahoakan'izany firenena izany. DH: "firenena izay ranjanana

any amin'ny olona atahorana lavitra sy akaiky

Ny teny hoe "lavitra sy akaiky" dia miara-ampiasaina hilazana hoe "na aiza na aiza." DH: "olona izay atahorana na aiza na aiza" na "olona izay atahoran'ny olon-drehetra eto an-tany"

firenena matanjaka sy manosihosy

Ny fanosihosena dia ilazana ny fandresena ny firenena hafa. DH: "firenena izay matanjaka sy mandresy ny firenena hafa"

nozarain'ny ony

Mety ilazana ny renirano maro izay mikoriana manapaka ny firenena izany mba hizaran'ireo ho faritra samihafa.