# Loza ho an'ny tanin'ny firahondrahon'elatra, izay miaraka amin'ireo onin'ny Etiopia Ny mety ho hevitry ny "firahondrahon'elatra" dia 1) Ny elatra dia maneho sambo mandeha. DH: "Loza ho an'ireo izay monina ao amin'ny tany andafin'ny onin'i Etiopia, izay tahaka ny bibikely eny amin'ny rano ireo sambony maro" na 2) ny firohondrohon'elatra dia entina ilazana ny feom-bibikely izay manan'elatra, mety hoe valala ohatra. # amin'ny ranomasina Lehibe tokoa ny Reniranon'i Neily, ary olona tany Egypta sy Etiopia dia niantso izany hoe "ranomasina." DH: "amin'ny renirano lehibe" na "amin'ny Reniranon'i Neily" # fanaka papirosy Ny papirosy dia hazo lava be izay maniry eny amin'ny sisin'ny reniranon'i Neily. Natambatabatry ny olona ny fehezana papirosy mba hanaovana lakana. DH: "lakana papirosy" na "lakana vita amin'ny volotara" # any amin'ny firenena ranjanana sy malama ... any amin'ny olona matahotra lavitra sy akaiky ... firenena matanjaka sy manosihosy, izay nozarain'ny ony ny taniny Ireo andian-teny ireo dia mamaritra ny vahoakan'ny firenena iray avokoa. DH: "firenena izy ranjanana sady malama hoditra ny vahoakany" # any amin'ny firenena lava sy malama Ny teny hoe "firenena" eto dia ilazana ny vahoakan'izany firenena izany. DH: "firenena izay ranjanana # any amin'ny olona atahorana lavitra sy akaiky Ny teny hoe "lavitra sy akaiky" dia miara-ampiasaina hilazana hoe "na aiza na aiza." DH: "olona izay atahorana na aiza na aiza" na "olona izay atahoran'ny olon-drehetra eto an-tany" # firenena matanjaka sy manosihosy Ny fanosihosena dia ilazana ny fandresena ny firenena hafa. DH: "firenena izay matanjaka sy mandresy ny firenena hafa" # nozarain'ny ony Mety ilazana ny renirano maro izay mikoriana manapaka ny firenena izany mba hizaran'ireo ho faritra samihafa.