plt_tn/isa/14/21.md

2.5 KiB

Omany ho an'ireo zanany ny famonoana

Io dia azo averina arafitra mba ho azo ambara amin'ny matoanteny "mamono" ny teny hoe "famonoana." DH: "Mivonona hamono ireo zanaky ny mpanjakan'i Babylona"

ho an'ny helok'ireo razambeny

Io dia azo averina arafitra mba ho azo ambara amin'ny matoanteny "nanota be" ny teny hoe "heloka." DH: "satria nanota be ny razany"

mba tsy hitsangana izy ireo

Eto ny hoe "hitsangana" dia ilazana ny fahatongavana ho mahery na ny fanafihana. DH: "mba tsy ho tonga mahery izy ireo" na "mba tsy hanafika izy ireo"

haka ny tany

Maneho ny fakana ny fahefana eo amin'ny vahoakan'ny tany io, amin'ny fandresena azy ireo raha izany toe-javatra izany. DH: "hifehy ny vahoakan'ny tany" na "handresy ny vahoakan'ny tany"

ary hameno izao tontolo izao amin'ny tanàna

DH: ary hanangana tanàna erak'izao tontolo izao"

Hitsangana hanohitra azy ireo Aho

Midika izany fa hanao zavatra hanoherana azy ireo Andriamanitra. Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo vahoakan'i Babylona. DH: "Hamely azy ireo Aho" na "Haniraka olona hanafika azy ireo Aho"

izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro

Ny teny hoe "fanambarana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny hoe "nanambara" na "nilaza tamin'ny fomba manetriketrika." DH: "izany no ambaran'i Yaveh tompon'ny maro" na "izany no nolazain'i i Yaveh tompon'ny maro tamin'ny fomba manetriketrika"

Yaveh tompon'ny maro

Adikao araka ny ao amin'ny 1:9.

Ho foanako hiala amin'i Babylona ny anarana, ary ny taranaka amam-para

Ny hoe "foanana" dia maneho ny famotehana. Eto "Babylona" dia manondro ny vahoakan'i Babylona. Ary koa, ny "anarana" dia entina ilazana ny lazan'i Babylona na i Babylona amin'ny maha-fanjakana azy mihisty.

Hataoko ho ao ... ihany koa izy

Ny teny hoe "izy" dia manondro ny tanànan'i Babylona. Matetika ny tanàna dia resahina toy ny hoe vehivavy. DH: "Hataoko ho ao ... ihany koa izany"

fananan'ireo vorondolo

Io dia maneho bibidia monina ao an-tanàna satria tsy misy olona ao. DH: "toerana honenan'ny vorondolo" na "toerana honenan'ny bibidia"

ao amin'ireo dobon-drano

Ny fampisiana dobo na rano miandrona eo amin'izay nisy tanàna taloha dia resahina toy ny hoe manao izany tanàna izany ho lasa ireo zavatra ireo mihitsy. DH: "ary ho toerana feno rano miandrona"

ho fafako amin'ny kifafan'ny fandringanana izy

Io dia maneho ny famotehana tanteraka an'i Babylona mba tsy hisy intsony, toy ny hoe loto tsy misy dikany izay fafan'ny olona. DH: "ho potehiko tanteraka izany, tahaka ny famafana izany amin'ny kifafa"