28 lines
1.6 KiB
Markdown
28 lines
1.6 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Manohy mamaritra ny tafika izay hanafika an'i Joda i Isaia. Mamaritra izay tahaka ny hoe efa misy tokoa izy.
|
|
|
|
# reraka ... tafintohina ... rendrehana ... matory
|
|
|
|
Ireo teny efatra ireo dia dia maneho dingana manomboka amin'ny faharerahana nohon'ny asa mankany amin'ny tsy fahafahana mandeha tsara, mankany aminy tsy fahafahana miari-tory, mankany amin'ny faharenohana tanteraka, koa dia tokony ho hita ao amin'ny fandikan-teny izay efatra ireo.
|
|
|
|
# Tsy misy mivaha ny fehinkibon'izy ireo
|
|
|
|
Nofehezin'ireo miaramila tsara ny ankanjony mba ho mora kokoa ny mihetsika sy miady.
|
|
|
|
# fehin-kapany
|
|
|
|
"ireo tadin-kapany"
|
|
|
|
# ny kitron-tsoavalin'izy ireo dia tahaka ny afovato
|
|
|
|
"tahaka ny vato mafy be ny kitron-tsaoavalin'izy ireo." Mampitaha ny faritra mafy eo amin'ny soavaly amin'ny afovato, izay vato mafy mety hiteraka pitik'afo rehefa kapohina Isaia. Ireo mety ho dikany dia 1) Mampitaha ny kitron-tsoavaly aminy afovato Isaia mba hamaritana ny kisarisary mampitahotry ny tongotr'izy ireo izay miteraka pitik'afo eny am-pihazakazahana, na 2) Mampitaha ny kitron-tsoavalin'izy ireo amin'ny afovato Isaia mba hanindriana ny tanjaky ny kitron'ireo izay mahatonga ny soavaly ho afaka manao izay rehetra tian'ny tompony hataon'ireo.
|
|
|
|
# ary ny kodiaran-kalesiny tahaka ny tafio-drivotra
|
|
|
|
Mampitaha ny kodiaran-kalesiny amin'ny tafiotra Isaia mba hilazana tsotra izao fa hamotika ny lalany izy ireo. DH: "ary hihodinkodina tahaka ny tafio-drivotra ny kodiaran'ny saretin'izy ireo"
|
|
|
|
# kodiaran-kalesiny
|
|
|
|
Matetika ireo kodiarana ireo dia nisy vy maranitra nipetaka taminy izay nanapatapaka izay rehetra nandalo teo akaikin'ny kalesy.
|