plt_tn/isa/05/27.md

1.6 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy mamaritra ny tafika izay hanafika an'i Joda i Isaia. Mamaritra izay tahaka ny hoe efa misy tokoa izy.

reraka ... tafintohina ... rendrehana ... matory

Ireo teny efatra ireo dia dia maneho dingana manomboka amin'ny faharerahana nohon'ny asa mankany amin'ny tsy fahafahana mandeha tsara, mankany aminy tsy fahafahana miari-tory, mankany amin'ny faharenohana tanteraka, koa dia tokony ho hita ao amin'ny fandikan-teny izay efatra ireo.

Tsy misy mivaha ny fehinkibon'izy ireo

Nofehezin'ireo miaramila tsara ny ankanjony mba ho mora kokoa ny mihetsika sy miady.

fehin-kapany

"ireo tadin-kapany"

ny kitron-tsoavalin'izy ireo dia tahaka ny afovato

"tahaka ny vato mafy be ny kitron-tsaoavalin'izy ireo." Mampitaha ny faritra mafy eo amin'ny soavaly amin'ny afovato, izay vato mafy mety hiteraka pitik'afo rehefa kapohina Isaia. Ireo mety ho dikany dia 1) Mampitaha ny kitron-tsoavaly aminy afovato Isaia mba hamaritana ny kisarisary mampitahotry ny tongotr'izy ireo izay miteraka pitik'afo eny am-pihazakazahana, na 2) Mampitaha ny kitron-tsoavalin'izy ireo amin'ny afovato Isaia mba hanindriana ny tanjaky ny kitron'ireo izay mahatonga ny soavaly ho afaka manao izay rehetra tian'ny tompony hataon'ireo.

ary ny kodiaran-kalesiny tahaka ny tafio-drivotra

Mampitaha ny kodiaran-kalesiny amin'ny tafiotra Isaia mba hilazana tsotra izao fa hamotika ny lalany izy ireo. DH: "ary hihodinkodina tahaka ny tafio-drivotra ny kodiaran'ny saretin'izy ireo"

kodiaran-kalesiny

Matetika ireo kodiarana ireo dia nisy vy maranitra nipetaka taminy izay nanapatapaka izay rehetra nandalo teo akaikin'ny kalesy.