plt_tn/isa/05/25.md

1.2 KiB

ny fahatezeran'i Yaveh dia mirehitra

Resahin'Isaia toy ny hoe afo ny fahatezeran'i Yaveh. DH: "Tezitra mafy Yaveh"

Efa naninjitra ny tanany hanohitra azy ireo ary efa nanasazy azy ireo Izy

Resahin'ny mpaminany toy ny hoe efa nitranga sahady ny ho avy. Manao izany izy mba hanindiana fa hitranga tokoa ilay faminaniana. DH: "hanafy azy ireo amin'ny tanany mahery Izy"

Efa naninjitra ny tanany hanohitra azy ireo

Eto ny "tanana" dia ilazana ny hery sy fahefan'Andriamanitra. DH: "nampiseho ny heriny tamin'izy ireo"

ny fatin'izy ireo dia tahaka ny fako eny an-dalana

Ny faty dia avela hitsilanilany eny an-dalalana toy y fako. Misy hevitra ambadika izany fa ho faty izy ireo saingy tsy hisy handevina azy ireo. Ny teny hoe "fako" dia azo adika hoe "tay" na "maloto" ihany koa.

Amin'izany zavatra rehetra izany, dia tsy mbola miafana ny hatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra ihany ny tanany

"Na dia nitranga aza ireo zavatra rehetra ireo, dia mbola tezitra ihany Izy, ary ny tanany"

mbola mihinjitra ihany ny tanany

Eto ny "tanana" dia maneho ny hery sy fahefan'Andriamanitra. Yaveh sia resahin'Isaia toy ny hoe olona izay hamely olon-kafa aminy totohondriny. DH: "mbola vonona ny hanafy azy ireo ihany Izy"