plt_tn/isa/05/01.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Milaza fanoharana momba ny mpamboly sy ny tanim-boalobony Isaia. Maneho an'Andriamanitra ilay mpamboly ary ny tanim-boaloboka dia maneho ny vahoakan'i Joda, ilay fanjakana tatsimon'ny Israelita.
# ny malalako tiako
"ny namako malalako"
# havoana tena lonaka
"teo amin'ny havoana izay afaka anirian'ny voly"
# Nasainy izany
"Niasa tany izy." Io fiteny io dia ilazana ny fampiasana fitaovana hangadiana tany mba hanomanana izany ho amin'ny fambolena.
# Nanangana tilikambo teo afovoan'izany izy
"nanamboatra trano avo teo afovoan'ny tanim-boaloboka izy fa hiambenana izany." Nisy olona nitsangana teo amin'ny tampon'ilay tilikambo mba hiambina ny tanim-boaloboka ary hitandrina mba tsy hisy biby na olona hiditra amin'izany. Azo atao mazava ny hevitra fenon'io fanambarana io.
# nanangana famiazanam-boaloboka
"nandavaka lavaka mba hamiazana ny ranom-boaloboka." Ny famiazam-boaloboka dia toerana ambany avy eo amin'ny vatolampy izay hanitsahan'ny olona ny voaloboka sy anosihosen'izy ireo izany amin'ny tongony, mba hanesorana ny ranom-boaloboka.
# voalobo-dratsy
"voaloboka tsy misy ilana azy" na "voaloboka ratsy tsiro"