plt_tn/gen/35/06.md

32 lines
1.0 KiB
Markdown

# Lozy
Anaran-tanàna izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 28:18.
# El-betela
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe El-betela dia midika hoe 'Andriamanitry Betela.'''
# tao Andriamanitra no nanambara ny Tenany taminy
"tao Andriamanitra no nampahafantatra ny tenany an'i Jakoba"
# Debora
Anaram-behivavy izany.
# mpitaiza an'i Rebeka
Ny mpitaiza dia vehivavy izay mikarakara ny zanaky ny vehivavy hafa. Ny mpitaiza dia mana-kaja ambony tokoa ary tena manana ny lanjany tokoa eo amin'ny fianakaviana.
# Nalevina tao ambanimbanin'ny Betela (...) izy
Afaka atao izany hoe: DH: "Nalevin'izy ireo tany ambanimbanin'ny Betela (...) izy"
# ambanimbanin'ny Betela
Ny andian-teny "ambanimbanin'ny" dia nampiasaina satria nandevina azy tao amin'ny toerana izay midim-pidinanana noho Betela izy ireo.
# Alona-bakota
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Alona-bakota dia midika hoe 'hazo terebinta izay misy fitomaniana.'''