plt_tn/gal/01/08.md

1.0 KiB

no hitory

Mamaritra zavatra tsy nitranga ary tsy tokony hitranga io. DH: "no hanambara" na "andeha hanambara"

hafa aminareo noho izay

"samihafa amin'ny ilay Filazantsara" na "samihafa amin'ilay hafatra"

aoka izy ho voaozona

"Ho faizin'Andriamanitra mandrakizay anie izany olona izany." Raha manana fomba mahazatra mahalaza ny fiantsoana ozona ho eo amin'ny olona iray ny fiteninao, dia ampiasao eto izany.

Moa ve izaho ankehitriny mitady ny fakantoavan'ny olona sa Andriamanitra? Moa ve izaho mitady izay hampifaly ny olona?

''Tsia" ny valinteny andrasana amin'ity fanontaniana fampisainana ity. DH: "tsy mitady ny fankatoavan'ny olona aho, fa kosa mitady ny fankatoavan'Andriamanitra. Tsy mitady ny hampifaly olona aho.

Raha mbola manohy miezaka ny hampifaly olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy

Ny "raha" sy ny "dia" dia anehoana fifanoherana eo amin'ny zava-misy. "tsy mbola miezaka ny hampifaly olona aho; fa mpanompon'i Kristy aho" na "Raha mbola miezaka ny hila sitraka amin'ny olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy"