plt_tn/exo/15/06.md

28 lines
1.6 KiB
Markdown

# Ny tananao ankavanana, ry Yaveh, dia manam-boninahitra amin'ny hery
Resahin'i Mosesy toy ny hoe manana tanana Andriamanitra. Ny tanana havanana dia manondro ny herin'Andriamanitra na ireo zavatra nataon'Andriamanitra tamin-kery. DH: "Ry Yaveh, be voninahitra ny herinao" na "Ry Yaveh, izay ataonao dia be voninahitra amin-kery"
# ny tananao ankavanana, ry Yaveh, dia nanorotoro ny fahavalo
Resahin'i Mosesy toy ny hoe manana tanana Andriamanitra. DH: "Ry Yaveh, nanorotoro ny fahavalo ny herinao" na "Ry Yaveh, tamin'ny herinao no nanorotoronao ny fahavalo"
# nanorotoro ny fahavalo
Resahin'i Mosesy toy ny hoe malemy ary afaka torotoroina tahaka ny fitaratra na tefy tanimanga ny fahavalo. DH: "namotika tanteraka ny fahavalo"
# ireo izay nitsangana hanohitra Anao
Ny fanoherana an'Andriamanitra dia resahana toy ny hoe mitsangana hanohitra an'Andriamanitra. DH: "ireo izay mikomy Aminao" na "ireo fahavalonao"
# Nalefanao ny fahatezeranao
Resahin'i Mosesy toy ny hoe mpanompo izay nirahina mba hanao zavatra ny fahatezeran'Andriamanitra. DH: "Nasehonao ny fahatezeranao" na ''Niasa araka ny fahatezeranao Ianao"
# nandevona azy ireo tahaka ny mololo izany
Resahin'i Mosesy toy ny hoe afo izay mandoro zavatra tanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra. Potika tanteraka tahaka ny mololo anaty afo ireo fahavalo. DH: "namotika ireo fahavalonao tahaka ny afo izay mandoro mololo tanteraka izany"
# Tamin'ny fofonain'ny vavoronao
Resahin'i Mosesy toy ny hoe misy orona Andriamanitra, ary resahiny toy ny hoe mitsoka rivotra amin'ny orona Andriamanitra. DH: "Notsofinao ny ranomasina ary" (UDB).