plt_tn/exo/15/06.md

1.6 KiB

Ny tananao ankavanana, ry Yaveh, dia manam-boninahitra amin'ny hery

Resahin'i Mosesy toy ny hoe manana tanana Andriamanitra. Ny tanana havanana dia manondro ny herin'Andriamanitra na ireo zavatra nataon'Andriamanitra tamin-kery. DH: "Ry Yaveh, be voninahitra ny herinao" na "Ry Yaveh, izay ataonao dia be voninahitra amin-kery"

ny tananao ankavanana, ry Yaveh, dia nanorotoro ny fahavalo

Resahin'i Mosesy toy ny hoe manana tanana Andriamanitra. DH: "Ry Yaveh, nanorotoro ny fahavalo ny herinao" na "Ry Yaveh, tamin'ny herinao no nanorotoronao ny fahavalo"

nanorotoro ny fahavalo

Resahin'i Mosesy toy ny hoe malemy ary afaka torotoroina tahaka ny fitaratra na tefy tanimanga ny fahavalo. DH: "namotika tanteraka ny fahavalo"

ireo izay nitsangana hanohitra Anao

Ny fanoherana an'Andriamanitra dia resahana toy ny hoe mitsangana hanohitra an'Andriamanitra. DH: "ireo izay mikomy Aminao" na "ireo fahavalonao"

Nalefanao ny fahatezeranao

Resahin'i Mosesy toy ny hoe mpanompo izay nirahina mba hanao zavatra ny fahatezeran'Andriamanitra. DH: "Nasehonao ny fahatezeranao" na ''Niasa araka ny fahatezeranao Ianao"

nandevona azy ireo tahaka ny mololo izany

Resahin'i Mosesy toy ny hoe afo izay mandoro zavatra tanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra. Potika tanteraka tahaka ny mololo anaty afo ireo fahavalo. DH: "namotika ireo fahavalonao tahaka ny afo izay mandoro mololo tanteraka izany"

Tamin'ny fofonain'ny vavoronao

Resahin'i Mosesy toy ny hoe misy orona Andriamanitra, ary resahiny toy ny hoe mitsoka rivotra amin'ny orona Andriamanitra. DH: "Notsofinao ny ranomasina ary" (UDB).