plt_tn/deu/30/11.md

935 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina.

na lavitra loatra ny hanakaranao azy

Mosesy dia miresaka ny fahafahana mahatakatra izay hangatahin'ny didy amin'ny olona mba hatao toy ny hoe afaka manakatra zavatra azo tsapain-tanana izany olona izany. DH: "na ho sarotra loatra aminao ny hahatakatra izay hangatahin'i Yaveh mba hataonao"

Iza no hiakatra any an-danitra ho antsika sy hitondra izany midina aty amintsika ary manome fahafahana antsika handre izany, mba hanaovantsika izany?

Eto Mosesy dia mampiasa fanontaniana fampisainana mba hanamafisana fa ny vahoakan'Israely dia mieritreritra fa sarotra loatra ho azy ireo ny hahafantatra ireo didin'i Yaveh. DH: "Tsy maintsy misy olona mankany an-danitra mba hianatra ny didin'Andriamanitra ary avy eo miverina mba hilaza izany amintsika mba hahafantsika mankato izany"