plt_tn/deu/17/14.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.

Rehefa tonga any amin'ny tany ianareo

Ny teny hoe "tonga" dia afaka adika hoe "miditra"

dia hoy ianareo hoe: "Hametraka mpanjaka eo amiko aho, tahaka ireo firenena rehetra izay manodidina ahy,'

DH: "dia hanapa-kevitra ianareo fa mila mpanjaka tahaka ny hananan'ireo olona eo amin'ireo firenena izay manodidina anareo mpanjaka"

Hametraka mpanjaka eo amiko aho ... manodidina ahy

DH: "Hametraka mpanjaka eo amintsika isika ... manodidina antsika"

Hametraka mpanjaka eo amiko

Ny manome olona iray ny fahefana hanapaka ho mpanjaka ao amin'Israely dia resahina toy ny hoe mametraka ilay olona eo amin'ny toerana ambonin'izy ireo ny vahoaka.

ireo firenena rehetra izay manodidina ahy

"ireo firenena rehetra manodidina"

ireo firenena rehetra

Ny hoe "ireo firenena rehetra" eto dia maneho ny vahoaka izay monina ao amin'ireo firenena.

olona avy amin'ireo rahalahinareo

"iray amin'ireo Israelita namanareo"

vahiny, izay tsy rahalahinareo, eo aminareo

Manana dika mitovy ireo. Samy maneho olona iray izay tsy Israelita. Yaveh dia manamafy fa ny vahoakan'Israely dia tsy tokony hamela vahiny hanapaka eo amin'izy ireo. DH: "vahiny eo aminareo" na "olona tsy Israelita eo aminareo"