plt_tn/deu/17/05.md

1.0 KiB

Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa, na vavolombelona telo, dia aoka ho vonoina ho faty izy

Eto ny hoe "teny" dia maneho ny fijoroana vavolombelon'ny vavolombelona iray. DH: "Raha misy vavolombelona roa na telo miteny manohitra ilay olona, dia aoka ho vonoinareo izy"

fa amin'ny tenin'ny vavolombelona iray monja dia aoka tsy ho vonoina ho faty izy

Eto ny hoe "teny" dia maneho ny fijoroana vavolombelon'ny vavolombelona iray. DH: "fa raha misy olona iray fotsiny miteny manohitra azy, dia aoka tsy ho vonoinareo izy"

ny tanan'ireo vavolombelona no voalohany mamono azy ho faty, ary aorian'izany dia ny tanan'ireo vahoaka rehetra

Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay vondrona vavolombelona mihitsy. DH: "Ireo vavolombelona mihitsy no ho voalohany hitora-bato, Avy eo ny vahoaka hamono ilay olona amin'ny alalan'ny fitoraham-bato azy"

ho esorinao tsy ho eo aminareo ny ratsy

DH: "aoka ho esorinao eo amin'ireo Israelita izany olona izay manao zavatra ratsy izany" na "aoka ho vonoinareo izany olon-dratsy izany"