plt_tn/deu/17/05.md

16 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa, na vavolombelona telo, dia aoka ho vonoina ho faty izy
Eto ny hoe "teny" dia maneho ny fijoroana vavolombelon'ny vavolombelona iray. DH: "Raha misy vavolombelona roa na telo miteny manohitra ilay olona, dia aoka ho vonoinareo izy"
# fa amin'ny tenin'ny vavolombelona iray monja dia aoka tsy ho vonoina ho faty izy
Eto ny hoe "teny" dia maneho ny fijoroana vavolombelon'ny vavolombelona iray. DH: "fa raha misy olona iray fotsiny miteny manohitra azy, dia aoka tsy ho vonoinareo izy"
# ny tanan'ireo vavolombelona no voalohany mamono azy ho faty, ary aorian'izany dia ny tanan'ireo vahoaka rehetra
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay vondrona vavolombelona mihitsy. DH: "Ireo vavolombelona mihitsy no ho voalohany hitora-bato, Avy eo ny vahoaka hamono ilay olona amin'ny alalan'ny fitoraham-bato azy"
# ho esorinao tsy ho eo aminareo ny ratsy
DH: "aoka ho esorinao eo amin'ireo Israelita izany olona izay manao zavatra ratsy izany" na "aoka ho vonoinareo izany olon-dratsy izany"