plt_tn/deu/06/20.md

987 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy milaza ny tenin'i Yaveh amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita

Inona avy ireo lalàn'ny fanekena ... nandidian'i Yaveh anao?

DH: "Inona no dikan'ireo lalàn'ny fanekena ... aminao" na "Nahoana ianao no mankatoa ireo lalàn'ny fanekena ... anao"

zanakao lahy

Ity dia maneho ireo zanaky ny olon-dehiben'Israely izay nitenenan'i Mosesy ny tenin'i Yaveh.

tamin'ny tanana mahery

Eto ny hoe "tanana mahery" dia maneho ny fahefan'i Yaveh. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 4:34. DH: "tamin'ny fahefany mahery"

ary tamin'ny tranony rehetra

Eto ny hoe "trano" dia maneho ny vahoakan'i Yaveh. DH: "ary tamin'ny vahoakany rehetra"

teo imasontsika

Eto ny hoe "maso" dia maneho ilay olona iray manontolo. DH: "teo amin'izay nafahantsika nahita azy ireo"

mba hitondrany antsika hiditra ao

Ny dikan'ity fanambarana ity feno dia afaka atao mazava tsara. DH: "mba hitondrany antsika ao Kanana"