plt_tn/act/17/26.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Eto ny teny hoe "izy" dia manondro an' Andriamanitra tokana, ilay mpamorona.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny teny hoe "azy ireo" sy "izy ireo" dia manondro ny firenena rehetra monina eto ambonin'ny tany.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Amin'ny fampiasana ny teny hoe "antsika," dia ahitana ny tenan' i Paoly, ny mpihaino azy ary ny firenena rehetra.

olona iray

Izany dia midika hoe Adama, ilay olona voalohany noforonin'Andriamanitra. Izany dia azo lazaina ho ahitana an'i Eva. Tamin'ny alalan'i Adama sy Eva no namoronan'Andriamanitra ny olon-drehetra. DH: "mpivady iray"

namaritra ny vanim-potoan'izy ireo sy nanendry ny toera-ponenana ary ny andro iainan'ireo

Azo atao ho fehezan-teny vaovao izany. DH: "Ary nifidy fotoana sy toerana hipetrahana izy"

tokony hitady an'Andriamanitra izy ireo, raha toa ka mety hahatratra sy hahita Azy izy ireo

Ny faniriana hianatra momba an'Andriamanitra sy ny fifandraisany aminy dia lazaina toy ny hoe olona mijery olona iray hafa ara-bakiteny ary miezaka ny hanantona azy. DH: "tokony hianatra momba Azy izy ireo mba hahafahan'izy ireo hahatakatra fa mila Azy izy ireo ary lasa ho isan'ny vahoakany"

tsy lavitra antsika tsirairay avy Izy

DH: "Izy dia tena akaiky antsika tsirairay avy"