plt_tn/act/05/26.md

1006 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ny lehiben'ny mpiambina sy ireo manam-boninahitra dia nitondra ireo Apostoly teo anatrehan'ny filan-kevitrin'ny mpitarika Jiosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny teny hoe "izy ireo" eto amin'ity fizarana ity dia manambara ny lehiben'ny mpiambina sy ireo manam-boninahitra. Ao anatin'ny fehezanteny "natahotra ny vahoaka izy ireo fandrao ho torahany vato" ny teny ïzy ireo" eto dia manambara ilay lehiben'ny mpiambina sy ireo manam-boninahitra. Ary ny "izy ireo" hafa kosa dia manambara an'ireo Apostoly.

amin'io anarana io

Ny teny hoe "anarana" eto dia manambara an'i Jesosy. DH: "tsy hiresaka momban'i Jesosy intsony."

nofenonareo ny fampianaranareo i Jerosalema

DH: "Ianareo dia nampianatra ny rehetra tao ao Jerosalema ny momba Azy"

maniry ny hitondra ny ràn'io lehilahy io ho eo aminay

Eto ny teny hoe "rà" dia manambara ny fahafatesan'i Jesosy . DH: "faniriana hiampangana antsika ho tompon'andraikitra tamin'ny nahafatesan'io lehilahy io"