plt_tn/act/05/19.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny teny hoe: "izy ireo" dia manambara ireo Apostoly.

ao amin'ny tempoly ary mitenena amin'ny olona ireo teny rehetran'ity fiainana ity." 21Rehefa nandre izany izy ireo, dia niditra tao amin'ny tempoly

Izy ireo dia tsy niditra tao anatin'ny tempoly izay natokana hoan'ireo mpisorona ihany. DH: "Izy dia niditra ... ny faritrin'ny tempoly" na "izy dia niditra ... tao an-tokontanin'ny tempoly"

ireo teny rehetran'ity fiainana ity

Io dia andininy amin'ny hafatrin'ny filazantsara izay efa nambaran'ireo Apostoly. Ireo mety ho dikany: 1) "ireo hafatrin'ny fiainana mandrakizay rehetra" na 2) "Ny hafatra manontolo amin'ny fomba fiainana vaovao"

raha vao maraina ny andro

"raha vao nahazava ny andro." Na dia nentin'ireo anjely nivoka ny trano maizina aza izy ireo nandritrin'ny alina dia niposaka ny masoandro vao tonga teo an-tokotanin'ny tempoly ireo Apostoly.

nalefa tany am-ponja mba hamoaka ireo apostoly

Izany dia midika fa nisy olona nandeha nakany am-ponja. DH: "nandefa olona tany am-ponja mba haka ireo Apostoly"