plt_tn/act/02/25.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Eto i Petera dia nilaza andalana izay nosoratan'i Davida ao amin'ny Salamo izay mampifandray ny famonona an'i Jesosy sy ny fitsanganany amin'ny maty.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Nanomboka tamin'ny nitenenenan'i Petera fa i Davida no niteny ireo teny momban'i Jesosy ireo dia ny teny hoe "izaho" sy "ahy" dia manambara an'Jesosy ary ireo teny hoe "Tompo"sy "Izy" dia manambara an'Andriamanitra.

teo anoloako

"teo anoloako " DH: "teo anatrehako"na "niaraka tamiko"

eto an-tanan-kavanako

Ny hoe "eto an-tanan-kavanako" matetika dia midika hoe eo amin'ny toerana izay sady afaka manampy no maharitra. DH: "eo akaikiko " na "miaraka amiko mba hanampy ahy"

tsy tokony hangozohozo aho

Eto ny teny hoe "hangozohozo" dia midika hoe matahotra. DH: "ny olona dia tsy ho afaka ny hiteraka olana amiko" na "tsy misy hampikorontana ahy"

faly ny foko ary niravoravo ny lelako

Ny olona dia mandray ny "fo" ho ivon'ireo fihetsem-po ary ny "lela" ny feon'ny fihetsem-po. DH: "Izaho dia faly sy ravo"

ny nofoko hivelona amin'ny fahatokiana

Ireo mety ho dikany ny teny hoe "nofo" dia 1) Izy dia mety maty. DH: "na dia mety maty ary aho dia mahatoky an'Andriamanitra aho" na 2) "izaho dia miaina amin-pahatokiana miaraka ao amin'Andriamanitra"