plt_tn/2pe/03/17.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Petera dia namita ny fampianarana ireo mpino ary namarana ny taratasiny.
# Noho izany, ry malala, satria fantatrareo izany zavatra izany
"Izany zavatra izany" dia manondro ny fahamarinana mahakasika ny faharetan'Andriamanitra sy ireo fampianaran'ireo mpampianatra sandoka.
# Tandremo ny tenanareo
"Arovy ny tenanareo."
# Mba tsy ho voafandriky ny fitakin'ny olona ratsy fanahy ianareo
DH: "mba tsy hitarihan'ny olona ratsy fanahy anareo amin'ny teny fitak'izy ireo."
# Voafandrika ... fitaka
Ny faharesen-dahatra tsy hankatoa an'Andriamananitra dia lazaina toy ny hoe fialana amin'ny lalana tokony arahina. Ireo famitahana na fampianaran-diso dia lazaina toy ny hoe olona afaka mitarika olona iray hafa hiala amin'ny lala-marina.
# Very ny itokianareo
Ny fahatokiana dia resahana toy ny hoe fananana izay mety ho verin'ireo mpino. DH: "mijanona ho mahatoky ianao."
# Mitombo amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana
"Hampitombo ny fahasoavana sy ny fahalalana."
# Ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy
Ny hoe "fahalalana" dia afaka adikanao amin'ny fampiasana andian-teny iray. DH: "manandrata hatrany hatrany an'i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy izay maneho hatsaram-panahy aminareo, ary mba ahalalanareo azy bebe kokoa sy tsaratsara kokoa."