plt_tn/2pe/03/17.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Petera dia namita ny fampianarana ireo mpino ary namarana ny taratasiny.

Noho izany, ry malala, satria fantatrareo izany zavatra izany

"Izany zavatra izany" dia manondro ny fahamarinana mahakasika ny faharetan'Andriamanitra sy ireo fampianaran'ireo mpampianatra sandoka.

Tandremo ny tenanareo

"Arovy ny tenanareo."

Mba tsy ho voafandriky ny fitakin'ny olona ratsy fanahy ianareo

DH: "mba tsy hitarihan'ny olona ratsy fanahy anareo amin'ny teny fitak'izy ireo."

Voafandrika ... fitaka

Ny faharesen-dahatra tsy hankatoa an'Andriamananitra dia lazaina toy ny hoe fialana amin'ny lalana tokony arahina. Ireo famitahana na fampianaran-diso dia lazaina toy ny hoe olona afaka mitarika olona iray hafa hiala amin'ny lala-marina.

Very ny itokianareo

Ny fahatokiana dia resahana toy ny hoe fananana izay mety ho verin'ireo mpino. DH: "mijanona ho mahatoky ianao."

Mitombo amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana

"Hampitombo ny fahasoavana sy ny fahalalana."

Ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy

Ny hoe "fahalalana" dia afaka adikanao amin'ny fampiasana andian-teny iray. DH: "manandrata hatrany hatrany an'i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy izay maneho hatsaram-panahy aminareo, ary mba ahalalanareo azy bebe kokoa sy tsaratsara kokoa."