plt_tn/2pe/03/11.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Petera dia nanomboka nanambara tamin'ireo mpino ny fomba tokony hiainan'izy ireo eo am-piandrasana ny andron'ny Tompo.

Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao

DH: "Satria Andriamanitra dia handrava ireo zava-drehetra ireo amin'izany fomba izany."

Tokony ho olona manao ahoana ianareo?

Petera dia nampiasa fanontaniana mba hanamafisana izay ho lazainy manaraka, dia ny mba "tokony hiainan'izy ireo fiainana masina ary fiainana araka an'Andriamanitra." DH: "fantatrao hoe tokony ho karazan'olona ahoana ianao."

Ny lanitra dia ho levon'ny afo, ary ny zavatra rehetra dia hiempo amin'ny hafanana be

DH: "Andriamanitra dia handrava ny lanitra amin'ny alalan'ny afo, ary Izy dia hanempo ny zavatra rehetra amin'ny hafanana be."

Ny zavatra rehetra

Ny mety ho dikany dia izao: 1) ny vatana any an-danitra, toy ny masoandro, volana, ary ireo kintana na 2) ireo zavatra izay mandrafitra ny lanitra sy tany, toy ny,nofom-tany, rivotra, afo, ary rano.

Izay hitoeran'ny fahamarinana

Petera dia miresaka ny "fahamarinana" toy ny hoe olona iray. Izany dia fomba entina ilazana ny olona izay marina. DH: "izay hitoeran'ny olo-marina" na "izay hiainan'ny olona am-pahamarinana."