# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Petera dia nanomboka nanambara tamin'ireo mpino ny fomba tokony hiainan'izy ireo eo am-piandrasana ny andron'ny Tompo. # Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao DH: "Satria Andriamanitra dia handrava ireo zava-drehetra ireo amin'izany fomba izany." # Tokony ho olona manao ahoana ianareo? Petera dia nampiasa fanontaniana mba hanamafisana izay ho lazainy manaraka, dia ny mba "tokony hiainan'izy ireo fiainana masina ary fiainana araka an'Andriamanitra." DH: "fantatrao hoe tokony ho karazan'olona ahoana ianao." # Ny lanitra dia ho levon'ny afo, ary ny zavatra rehetra dia hiempo amin'ny hafanana be DH: "Andriamanitra dia handrava ny lanitra amin'ny alalan'ny afo, ary Izy dia hanempo ny zavatra rehetra amin'ny hafanana be." # Ny zavatra rehetra Ny mety ho dikany dia izao: 1) ny vatana any an-danitra, toy ny masoandro, volana, ary ireo kintana na 2) ireo zavatra izay mandrafitra ny lanitra sy tany, toy ny,nofom-tany, rivotra, afo, ary rano. # Izay hitoeran'ny fahamarinana Petera dia miresaka ny "fahamarinana" toy ny hoe olona iray. Izany dia fomba entina ilazana ny olona izay marina. DH: "izay hitoeran'ny olo-marina" na "izay hiainan'ny olona am-pahamarinana."