plt_tn/2ki/19/23.md

16 lines
871 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity dia mbola manohy ny hafatra nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Isaia, mpaminany, ho an'i Hezekia Mpanjaka mikasika an'i Sankeriba Mpanjaka. Ahitana fifanindrinan-dalana izany.
# nihantsianao ny Tompo
Ny matoanteny "mihantsy" dia midika hoe miziriziry tsotra izao na maneso.
# no niakarako ... Hokapaiko.... Hiditra amin'ny ... aho
Ny tafik'i Sankeriba ihany no hahatanteraka ireo fireharehana izay nataon'i Sankeriba ireo. Ny hoe "...ko" na "aho" eto dia fibangoan-teny entina ilazana ny tafika rehetra eo ambany fifehezany.
# Efa nihady lava-drano aho ary efa nisotro ny ranon'ny firenen-kafa. Efa nandritra ny reniranon'i Egypta rehetra ho eo am-paladiako aho.
Izany dia filaza-masaka ilazana fa afaka miampita ny renirano rehetra izy. "Ary amin'ny famakivakiana ireo rian-dranon'i Egypta, no nandritrantsika ireo!" (UDB)