# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity dia mbola manohy ny hafatra nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Isaia, mpaminany, ho an'i Hezekia Mpanjaka mikasika an'i Sankeriba Mpanjaka. Ahitana fifanindrinan-dalana izany. # nihantsianao ny Tompo Ny matoanteny "mihantsy" dia midika hoe miziriziry tsotra izao na maneso. # no niakarako ... Hokapaiko.... Hiditra amin'ny ... aho Ny tafik'i Sankeriba ihany no hahatanteraka ireo fireharehana izay nataon'i Sankeriba ireo. Ny hoe "...ko" na "aho" eto dia fibangoan-teny entina ilazana ny tafika rehetra eo ambany fifehezany. # Efa nihady lava-drano aho ary efa nisotro ny ranon'ny firenen-kafa. Efa nandritra ny reniranon'i Egypta rehetra ho eo am-paladiako aho. Izany dia filaza-masaka ilazana fa afaka miampita ny renirano rehetra izy. "Ary amin'ny famakivakiana ireo rian-dranon'i Egypta, no nandritrantsika ireo!" (UDB)