plt_tn/2ki/15/08.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown

# Tamin'ny fahavalo amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda
DH: "Tamin'ny faha 38 taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda"
# Zakaria zanak'i Jeroboama
Jeroboama no mpanjakan'Israely faharoa nanana izany anarana izany. Izy dia zanak'i Joasy Mpanjaka.
# nanjaka teo amin'ny Israely tany Samaria nandritra ny enim-bolana
Samaria ny tanàna nipetrahan'i Zakaria rehefa mpanjakan'Israely izy. DH: "nipetraka tao Samaria ary nanjaka teo amin'Israely nandritra ny enim-bolana"
# Nanao izay ratsy ... izy
"Nanao izay ratsy ... i Zakaria"
# izay ratsy teo imason'i Yaveh
Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh. Jereo ao amin'ny 3:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "izay ratsy araka ny fomba fitsaran'i Yaveh" na "izay heverin'i Yaveh fa ratsy"
# Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata ... izy
Ny fialana amin'ny fahotana dia midika hoe "mandà ny hanota". DH: "Tsy nandà ny hanao ireo fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata i Zakaria" na "Nanota tahaka ny nanotan'i Nebata i Jeroboama"
# Jeroboama zanak'i Nebata
Jeroboama no mpanjaka voalohan'ireo foko tavaratra folo nitondra ny fanjakan'Israely.
# izay nahatonga ny Israely nanota izy
Eto ny teny hoe "Israely" dia ilazana ny vahoakan'ny fanjakan'Israely. DH: "izay nampanota ny vahoakan'Israely"